Jirama: Niroso tamin’ny fandatsahana orana artifisialy hamatsiana herinaratra.
Mikorontana ny famatsian-drano sy herinaratra ka voatery nanatanteraka fandatsahana orana artifisialy ny orinasa Jirama. Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro izany. Noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana dia mihena ny fatran’ny rano ka mikorontana ny famatsiana ka izay no antony nirosoana tamin’ity fandraisana andraikitra iray ity. Ny 16 ka hatramin’ny 18 novambra teo no nanaovana izany fandatsahana orana izany.
“Tanjona amin’ny fanaovana izao hetsika izao dia ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra sy rano ho an’ny mpampiasa ny herinaratra iraisan’Antananarivo. Ny Ny sahan-driaka Andekaleka sy Tsiazompaniry ary Mantasoa izay misy ny toha-drano sy ny milina famokarana herinaratra no kendrena amin’ity fandatsahana orana artifisialy ity”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Jirama.
“Ilaina mihitsy ny manarina izany tsy fahapian-drano izany. Manimba fitaovana loatra ity fahatapahan-jiro lava reny ity. Efa solosaina 3 izao no simba tato am-piasana noho ny jiro tapaka tampoka sy miakatra midina. Mila hitadivana vahaolana maharitra mihitsy izany fa tsy hajanona amin’ny vahaolana kely toy izao”, hoy i Olivier, teknisianina ao amin’ny Radio iray ao Manjakandriana.
Olana goavana eto Madagasikara mihitsy ny mahakasika ny herinaratra sy ny rano. Ireo tena tsy afaka mial amin’ny fampiasana izany herinaratra izany dia tokony miara-mitady vahaolana maharitra. Ireo afaka miala kosa dia tsraa kokoa rah mampiasa ny angovo azo havaozina sady mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Miora Raharisolo
