ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Nisehoana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona iray

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny kaominina Ambohimalaza ny faran’ny herinandro lasa teo. Kodiaran-droa nentina mpitondra ronono  iray sy kodiara-droa nentina mpiasa amin’ny cash point avy eny Ambohimangakely ny iray no nifandona nandritra izany, araka ny voalaza, ary tapaka ny tongotr’ilay mpanatitra ronono, izay avy eny amin’ny fokontany Ambohidrazana.

“Tsy mampilaza tokoa ny loza ary tampoka. Mafy ny fifandonana teo amin’ireo kodiaran-droa ireo. Hita amin’izao fahavoazana izao, niforitra mihitsy ny jenten’ilay moto iray” hoy I Tsiry, nanatri-maso ny loza.

“Hanaovana antso avo ny mpapiasa lalana rehetra izao loza izao mba hisy hitandremana. Ary tokony samy ho mailo hatrany ny rehetra fa lahy tokana ny aina mila tandrovana mandrakariva” hoy I Rova, mponina ao Ambohimalaza.

Raha ny voalan’ny nanatri-maso ity loza ity moa, niala lavaka no antony fifandonana teo amin’ireo kodiaran-droa ireo. Nentina namonjy hopitaly tany an-drenivohitra avy hatrany ny naratra taorinan’ny nitrangan’ny loza.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire