Basy antifi-kavana : Miseho matetika ny fihetsika feno tsy fanajana ny marary tonga ao amin’ny CSBII Alasora
Betsaka ny fitarainana voaray tamin’ireo mponina ao Alasora, indrindra ireo manantona ny CSBII noho ny fiteny sy fihetsika tsy mendrika aseho ny mpitsaboa ao an-toerana. Tafiditra ao anaty velirano anefa ny hisitrahan’ny rehetra ny fahasalamana izay antoky ny famapndrosoana.
« Tsy misy fitsapana sy fijerena fahasalamana tsara akory fa mody manontany izy dia manoratra dia asainy mandeha izahay avy eo, amin’io mbola tsy araka ny tokony ho izy akory ny vidim-panafody » hoy i Voniala, mponina ao Alasora. « Manaitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izahay mba handray ny andraikiny manoloana ny tsy rariny mianjady aminay vahoaka satria tsy afaka ny handroso mihitsy isika raha tsy salama aloha ny vahoaka » hoy i Aina, isan’ny vavolombelon’izao tranga izao. « Tsy mijery ny marary akory fa sady manontany no miantso amin’ny finday ka na marary tokony ho sitrana aza ve tsy vao maika hitombo ny aretiny, rehefa tsy mahafehy ny asa fitsaboana tsy tokony hijanona ao intsony » hoy i Mickael, isan’ny narary tonga tao.
Betsaka ny nitantara ny tranga tsy fanajana sy fanavakavahana nataon’ny mpitsabo tamin’ireo mponina ao Alasora ary saika miverimberina foana izany. Tsy misy ve ny fandraisana andraikitra ? Ny vahoaka salama tokoa no antoky ny fampandrosoana ka mifameno ny rehetra ary tokony hiara-hisalahy ny tokony hisitrahana izay fahasalamana izany. Antoky ny fanajana ny asa rahateo ny fanajana ny marary ka mila tolorana fanajana hatrany izy ireny.
Nicole Rafalimananjara
