ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mila mandinika tsara rehefa hanao zavatra

Vao maika nanimba ny lalana teo amin’ny sampanan’i Bertsizaraina makany Ikianja Avaratra, Ambohimangakely, ny fanamboarana nataon’ny FID. Namotaka mila tsy ho azo nandehanana intsony ny lalana taorian’ireny rotsak’orana ireny.

« Aleonay aza ilay teo aloha tsy mbola namboarina satria mbola ho lava ny fahavaratra kanefa efa izao sahady ny fijalianay » hoy i Haja, mponina ao Betsizaraina. « Tsy aleo rehefa miasa dia atao tsara mba holovain-jafy ilay izy sady izay rahateo ihany koa no tanjona amin’izao, fa tsy lavahana dia aveo avela eo hany ka mijaly sy sahirana ny mponina indrindra ny mpianatra handeha hianatra » hoy i Vero, renim-pianakaviana monina ao Ikianja. « Ilaina manam-pahaizana tokoa ny fotodrafitr’asa toy ny fanamboaran-dalana satria miankina amin’ny fiainam-bahoaka iny ka tsy tokony hanaovana sangisangy » hoy i Manda, mpandinika momba ny serasera sy ny fampandrosoana eny ifotony.

Rehefa manao tetik’asa iray dia tokony jerena avokoa ny hodidina indrindra ny mikasika ny toerana sy ny fotoana. Ilaina ihany koa ny fakana ny hevitrin’ny mponina hanatanterahana ny tetik’asa satria ho azy ireo ihany ilay izy ka izy ireo mahalala tsar any tena mety aminy. Tsara ihany koa raha miditra an-tsehatra ny solontenam-panjakana any an-toerana satria an-davanandron’ny mponina ny lalana ary isika no efa nametrahan’izy ireo ny fitokisana amin’ny famapndrosoana ny tanàna. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire