Ambohimanambola : Mangataka ny hanamborana ny lalana rari-vato ny mponina
Mitaraina ireo mpampiasa ny lalana rari-vato, miakatra mankao amin’ny fokontany Ambohibato, kaominina Ambohimanambola noho ny fahasimban’ny lalana ao an-toerana. Miongotra ireo vato amin’ny sisin-dalana, ka tsy ahazaka hanaovan’ny fiara lalan-droa intsony izany, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, araka ny voalaza.
“Miangavy ny mpitantana ny kaominina, hijry akaiky ary hitàondra fanamboarana ity lalana ity satria tena efa simba tanteraka, miala avokoa ireo vato amin’ny rari-vaton’ny lalana. Raha tokony ho lalan’ny fiara roa izany teo aloha, efa tsy mazaka afa-tsy fiara iray izany ankehitriny kanefa maro ireo fiara mivezivezy eto” hoy i Guy, mpitondra kamiao.
“Ireo fiara kelikely dia lasibatra amin’ny fahasimbana rehefa mandala eto. Tena manimba zavatra ilay lalana simba ary mety vao maika hiaratsy anefa io raha tsy misy ny famboarana azy, isika izao efa hihiditra anaty fotoanan’ny fahavaratra ka manao antso avo amin’ny mpitantana ny tanàna” hoy i Noely, mpampiasa ny lalana.
Efa ela no tsy nisy fanamboarana ity lalana ity. Ankoatra izay anefa, mbola misy ihany koa ireo lalan-tany, izay anisan’ny mampijaly ny mponina ihany koa, indrindra rehefa fahavaratra, noho ny fotaka sy ny faharatsian’ny lalana. Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny kaominina araka izany ny mponina.
