ActualitésTatitra

Etats-Unis : « Hyène » roa mitondra ny tsimok’aretina covid-19

Voalohany ity fahitana tsimok’aretina covid-19 tamin’ny « Hyène » ity. Tao amin’ny « zoo » Denver no nisehoan’ny tranga raha ny fanazavana, ary « hyène » efa 22 sy 23 taona antsoina hoe Ngozi sy Kibo ireo tratran’ny covid-19 ireo. « Nahitana soritr’aretina maivamaivana ireo biby ireo » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny « zoo ». Anisan’izany ny harerahana sy kohoka.Tsy ireo biby ireo ihany nefa no nitondra io tsimok’aretina io tao amin’ny « zoo » Denver. Liona 11 sy tigra roa ihany koa no efa nahitana izany herinandro maromaro lasa izao ary efa sitrany sy andalam-pahasitranana avokoa.Maro be kosa ireo biby tratran’ny covid-19 hatramin’ny niandohany, ny volana septambra teo izao dia nahitana liona enina sy tigra telo nitondra ny tsimok’aretina tao Washington ary babakoto maromaro ihany koa tao Atlanta. Efa nahazo vaksiny manokana tamin’ny Zoetis kosa ireo biby ireo.

Laisser un commentaire