ActualitésTatitra

La Réunion : Mpitandro ny filaminana iray namono tena tao amin’ny toeram-piasany

Polisy manodidina ny 40 taona i David Minatchy. Niasa tao amin’ny biraon’ny polisy Malartic tao Saint-Denis izy. Nofaritan’ireo olona akaiky azy toy ny olona tsy be teny sy tony ary ravoravo lalandava izy. Mora nifandray tamin’ny manodidina azy izy raha ny fanazavan’izy ireo ary akaIky azy avokoa ny olona rehetra.Mety ho sarintsariny ihany nefa izany endrika nasehon’i David Minatchy izany satria namono tena tao amin’ny toeram-piasany izy ny alin’ny alarobia teo. Tsy nahitana nefa fahakiviana na hatezerana ity lehilahy ity talohan’ny nitifiran’ny tenany raha ny fanazavana ka tsy fantatra mazava izay nitarika ny famonon-tenany. Efa manadihady mahakasika ny raharaha kosa ireo manam-pahefana ao an-toerana.

Laisser un commentaire