Fivarotana basy vita gasy.
17 Novambra, 09h40. Tratra ireo 8 lahy mpivarotra basy vita gasy sy mpividy ary mpiray tsikombakomba tao Antsiranana. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny Zandary amin’izao fotoana ny amin’izay tena tompon’antoka sy ireo namany hafa mety mbola tsy azo. Aorian’izay dia hatolotra ny fampanoavana izy 8 mirahalahy.
