Dépêches

Toetr’ andro : Ho tafiakatra 41 degré ny mari- pana

17 Novambra, 09h00. Noho ny tsy fisian’ ny orana vokatry ny fiovan’ ny toetry ny andro ka miteraka fahalotoan’ ny rivotra, hiakatra hatramin’ ny 41° ny hafanana ho an’ ny tapany atsimon’ ny nosy mandritra ny andro maromaro. Hanorana tandrifin- drahona sy arahin- kotroka kosa ny tapany Avaratra Andrefana, ilany andrefan’ i Vakinankaratra, Melaky, Menabe, Atsimo Antsinana ary Anosy. Ny faritra sisa ho maina sy manevokevoka ny andro. Mila miomana amin’ ny mety ho fiantraikan’ io hafanana be io ny tsirairay. Tsara tohizana hatrany ny fanaovana aro vava orona hisorohana ny aretina mety hahazo noho ny loton’ ny rivotra, indrindra ho an’ ny sokajin’ olona marefo.

Laisser un commentaire