Nivoaka ny vokatry ny fifaninanana ho mpianatra zandary andiany faha 76
09 Jona, 11h30. Efa nivoaka ny 8 Jona teo ny valin’ny fifaninanana ho mpianatra ho zandary andiany faha 76. Eny amin’ny Tobin’ny Zandarimaria rehetra manerana ny nosy no ahitana izany. Misy kosa ny toromarika horaisina eny amin’ny toby ho an’ireo afaka hisedra ny dingana faharoa.
