France : Hanahirana ny hanerena ny olona hanao arotava aorian’ny 30 jona
Efa hita ny fihenan’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 any France, ary mandeha tsara ihany koa ny fanaovam-baksiny any an-toerana. Betsaka ireo mponina Frantsay no manontany tena manao hoe” Mandrapahoviana no tsy maintsy hanaovana arotava ?” Tanàna maro any an-toerana no efa nanala ny tsy maintsy hanaoavana ny arotava eny an-dalana. Ho sarotra ny hanaovana arovava aorian’ny 30 jona, hoy i Jean-François Delfraissy, izay filohan’ny filan-kevitra siantifika any France. Ho sarotra ho an’ny mponina ambanivohitra sy ho an’ireo mandeha eny amin’ny moron-tsiraka sy ireo mpandehadeha ny mbola hanao arotava amin’izao dingana fialàna amin’ny fihibohana izay manomboka androany hoy hatrany izy. Ary nanamafy hatrany i Jean-François Delfraissy fa misy ny fitsipika ara-pahasalamana tsy mifanaraka ny zava-misy eny ifotony, ary indrindra izao fanaovana arotava izao, kanefa mbola mivezivezy ny aretina. Miala tsikelikely amin’ny fihibohana i France mantsy amin’izao ka efa nasokatra ny efitrano anatiny rehetra izay hisotrosotroana, ny toeram-pisakafoana ary ihany koa ny efitrano ho an’ny fanatanjahan-tena izay hamondronana olona maro. Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana, Olivier Véran fa miankina amin’ny zava-misy eny ifotony ny fivoaran’ny fitsipika mikasika ny fitondrana arovava orona.
