Vaksiny polio Ankazobe
28 Jona, 10h05. Nahitana tranga Poliovirus tao amin’ny distrika telo teto Madagasikara raha ny nambaran’ny tao amin’ny ministeran’ny Fahasalamana, noho izany dia nisy ny fanamafisana ny vaksiny fanefitry ny polio izay notanterahina manomboka ny 28 jona ka ahatramin’ny 30 jona 2021 manerana ireo 85 distrika ao anatin’ny faritra 15 eto Madagasikara. Ho an’ny tao amin’ny distrika Ankazobe dia notanterahina androany izany vaksiny izany.
