Dépêches

Nahazo fanomezana avy amin’ny polisim-pirenena ny zaza kamboty ao Ambatolampy

28 Jona, 11h06. Tsy adinon’ ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena ny nitondra fanomezana ho an’ ireo zaza kamboty tezaina any amin’ny Akany Ambatolampy noentiny nankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena teo. Fanomezana maro samihafa toy ny arendrina, laser, vatomamy, chocolat, akanjo, jus star, paty, vary, kaopy, koveta ary savony no natolotra an’ireo ankizy. Nisy ihany koa ny fizarana bodofotsy ampiasaina amin’izao ririnina mamirifiry izao. Ny vadin’Andriamatoa Minisitry ny filaminam-bahoaka Ramatoa RANDRIANARISON Holisoa sady Filohan’ny « FIVAPOVA » no nitarika ny lanonana teny an-toerana.

Laisser un commentaire