Dépêches

Vonona hiroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana

17 Febroary, 10h00. Vonona hiroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana (refonte totale de la liste éléctorale) ny CENI, hoy ny filoha lefiny Andoniaina Andriamalazaray omaly. Efa vonona ny drafitr’asa hanatanterahana izany saingy miankina amin’ny fahatomombanan’ny fepetra rehetra ara-bola sy araka ny lalàna ny firosoana aminy hoy izy. Irian’ny CENI kosa raha amin’ny fotoana mampiakatra ny vokatra sy tsy be orana no anaovana azy. Mandra-piandry ny fanavaozana, fanao isaky ny folo taona izay, dia miroso amin’ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy voaray tamin’ny fokontany sy distrika tsirairay ny CENI foibe nanomboka omaly 16 febroary. Ny 28 febroary izao no hivoaka ny lisitra vonjimaika, ary haverina amin’ny fokontany tsirairay ahafahan’ny olom-pirenena manamarina ny anarany sy ny mombamomba azy.

Laisser un commentaire