Ninie Donia : Voasazy enim-bolana an-tranomaizina
01 Jolay, 09h00. Sazy mihatra enim-bolana an-tranomaizina no azon’i Ninie Donia sy olona 13 hafa, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Nosy Be. Mpanakanto sady mpanao politika mahery fo amin’ny fiarovana ny madinika no ahalalan’ny maro azy. Heloka miisa fito no fantatra fa niampangana azy sy ireo namany ary voatondro ho isan’ireo mpikambana ao anaty fikambanan-jiolahy ihany koa izy ireo.
