Fanatanjahantena: Efa mivoaka ny lisitr’ireo Barea hiatrika ny CHAN 2023
Dépêche 02 décembre, 12h, Ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary izao no hanatanterahana ny CHAN 2023 izay hatao any Algérie. Efa nivoaka ny anaran’ireo 33 handrafitra ny ekipam-pirenena miampy ireo 3 ambiny izay ho fiandry. Hanomanana izany lalao izany indrindra dia hiatrika lalao ara-pirahalahiana efatra ireto Barea ireto .Ny lalao voalohany dia ny Sabotsy 17 desambra 2022 ( 4ora ariva) izay hatao eo amin’ny kianja BAREA Mahamasina manoloana ny Sélection La Réunion (ireo mpilalao Malagasy sy vahiny milalao ao La Reunion). Raha ny fantatra dia tsy eto Madagasikara no hatao ireo lalao ara-pirahalahiana 3 ary mbola tsy nivoaka ny mombamomba ireo ekipa.
