Namangy ny filoha teo aloha ny Amerikanina
22 Jolay, 09h30. Nitsidika ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Faravohitra ny Chargé d’Affaires Amerikana Tobias Glucksman ny Alarobia 21 Jolay tolakandro. Nifanakalo hevitra mikasika ny toe-draharaha politika, sosialy, ekonomika, ary ara-pahasalamana ny roa tonta tamin’izany
