ActualitésTsidika

Mila fanampiana ilay tovolahy niasa tany Antalaha fa te hody aty Antananarivo

Mahazaka maniraka ny fitadiavana, ary ny tena mampalahelo aza dia toa mahavita ny tsy fanao mihitsy rehefa tena tojon’ny tsy fisiana tanteraka. Toy izany tokoa mantsy no iainan’ny ankamaroan’ireo mpanendaka sy ny mpangalatra ireo ankoatran’ireo kamo hisasatra fotsiny izao. « Tsy ny asa no tsy misy fa ny fahaiza-manao no aotra ka mahatonga ireo tsy an’asa maro be, koa ny vahaolana dia alefaso hianatra hatrany ny ankizy mba hananany ho avy mamiratra » hoy i Tatamo, mpianatra toe-karena eny anivon’ny anjerimanontolo.

Mahazaka maniraka tokoa ny tsy fisiana tahaka ny nahazo ny tovolahy iray izay nalefa hiasa any Antalaha. “Mila fanampiana avy amin’ireo malala-tanana aho fa te hody” hoy Randriantsilavina Rasoloniaina Frederic, nonina tao Ivato ary 20 taona. Nafarana avy any Antananarivo izy ary nomena vola 30 000 Ar mba hiasa any Antalaha ka rehefa tonga tany dia nomena 20 000Ar indray hoy hatarany ny fanazavana.

Nisy anefa ny tsy fifanarahana teo aminy sy ny mpampiasa azy ka tsy nahazo karama intsony izy. « tsy mbola nahafeno ny vola efa lasany ny asa vitany ka izany no antony tsy nahazahoany ny karamany » hoy ny mpampiasa azy tany. Nanambara ihany koa ny avy eo anivon’ny mpitondra fanjakana ao Antalaha fa avy amin’ireo mpiasa izay nanao fifanarahana kanefa tsy nanaja izany no anton’izao.

Nomena safidy malalaka izy ireo raha ny fantatra, mikasika ny fahavononany hiasa ka izay tsy vonona dia mahazo mody, dia tao anatin’ireo nisafidy ny hody ity tovolahy ity. Tsy maintsy mody aty Antananarivo izy noho izany kanefa ny saran-dalana tsy misy hany ka anndeha tongotra no sisa fara-heriny. Nandeha an-tongotra avy any Antalaha ny 19 jolay teo ity farany ka tonga tao Sambava ary nikasa hanohy moramora hihazo an’Antananarivo. Ny tsara sitra-po aza no nanome sakafo azy nandritra izany. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ao Sambava moa izy hitadiavana vahaolana sy hanaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire