Notokanana ny « lakilasy manara-penitra » ao Androy
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fahatongavan’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina tao amin’ny Fokotany Behodatse sy Ankazombalala kaominina Anjapaly, distrikan’i Tsihombe Faritra Androy ny lakilasy manara-penitra. Ity farany natao noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Fitia sy ny OIT ary ny famatsiam-bolan’ny Norvezianina. « Ho raisina an-tanàna ihany koa ny fanatanterahana ny Cantine scolaire ao an-toerana » hoy ny avy ao amin’ny fikambanana Fitia.
Nisy fizarana fitaovana ihany koa nandritra io fotoana io, fanampiana ara-tsakafo ireo marefo, koba aina ho an’ireo ankizy, fitaovana an-dakozia ho an’ireo sembana ary fitsaboana maimaimpoana ho an’ireo mponina tonga nanatrika izany. « Mankasitraka indrindra an’ny vadin’ny filoha izahay » hoy ny fankasitrahana nentin’ny Solombavambahoakan’i Tsihombe Marie Goulamaly tamin’ny anaran’ny vahoaka. « Manana reny mpiahy tokoa izahay » hoy ny fanamafisana nentina renim-pianakaviana iray nisitraka ny fanampiana.
Hasina Rasamimanana
