ActualitésTsidika

Miseho amin’ny endrika samihafa ny fisolokiana eto an-drenivohitra

« Tsy milamina avokoa izay tany aleha » hoy ity tovovavy iray nisy nikasa hanapa-bolo teny Behoririka ity. « Mody mampiresaka izy hoe amidy ve dia avy eo arahiny ianao rehefa tsy manaiky » hoy izy.

Ankoatra io fanapahana volo io dia endrika maro no hita eny amin’ny fiaraha-monina eny ankehitriny. Raha ny fitantaran’ny vavolombelona iray dia ireo mpanao ratsy indray no mametraka ny tenany ho lasibatra. « Mody mifandona aminao izy ary tampoka eo alatsany ny solomaso eny an-tànany ohatrany hoe nodominao izany dia mitaky aminao izy 100 000 Ar tetibidin’ilay solomaso, fa raha tsy misy vola any aminao dia izay zavatra eny aminao no tereny omena azy » hoy izy.

Ambodivona, Antsahavola, Ampefiloha, Ambohijatovo sy eny amin’ny manodidina aloha hatreto no tena matetika isehoan’ny tranga.

« Efa miezaka ny manara-maso izany izahay » hoy kosa ny eo anivon’ny fintandrovana ny filàminana. Efa maharay tatitra izy ireo fa manao satroka bonetra mainty ilay mpanao izany eo Ampefiloha ary milanjalanja solomaso mainty.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire