Tahan’ny fialana an-daharana any an-tsekoly any atsimo
Efa nanomboka niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra na amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana na tsia tao anatin’ny herinandro izay. Tao anatin’izany, tsy vitsy ireo fikambanana nanolo-tanàna ireny ankizy ireny amin’ny fanampiana sy fandrisihana azy ireo amin’ny fianarana. Na izany aza, maro ireo ankizy tsy manam-pidiny voatery mandao ny sekoly noho ny antony maro samihafa eo anivon’ny fianakaviana. Anisan’ny tena lasibatra amin’ireny ireo ankizy mpianatra any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Nahitana fiakarana be mihitsy ny tahan’ny fialana an-tsekoly tamin’ity taom-pianarana araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra misahana ny fanaraha-maso ireny ao amin’ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra hatrany, 65% amin’ireo mpianatra no voatery nanajanona ny fianarany any amin’iny faritra iny noho ny tsy fisiana ka voatery manampy ireo ray aman-dreny amin’ny fitadiavana. Mba hialana amin’izany, nanambara ny filoham-pirenena fa ho atao laharam-pahamehana ny fananganana sy fanavaozana ny sekoly natokana ho an’ireo ambaratonga fototra any amin’ireo faritra rehetra mila izany any Atsimo. Ny tsy fisiana eo anivon’ny fianakaviana no sakana tsy ahafahan’ireo ankizy manohy fianarana ka sao tokony izay aloha no jerena izay vao miroso amin’ny fotodrafitr’asa natao hianarana ?
Ally Herisoananahary
