Royaume-Uni: Mandripaka 60% ny variant “Delta”
Nilaza ny tompon’andraikitra ao Grande Bretagne fa mandripaka 60 % mihoatra ny variant hafa ny variant « Delta » misy any an-toerana. Miisa 42 323 ny tranga hita ankehitriny raha 29 992 ny tranga hita herinandro lasa izay tamin’ity variant Delta ity. Niakatra be ny isa ary niakatra ihany koa araka izany ireo marary miditra hôpitaly ka efa min’arivony izao ny marary raisin’ny toeram-pitsaboana any Royaume-Unis tratran’ny coronavirus hoy ny Figaro. Miparitaka haingana be ity Variant ity. Tsy misy afatsy ny fanaovam-baksiny araka izany no vahaolana haingana amin’ity mba hampihenana ny isa na dia tsy manafoana azy aza hoy ny tale jeneralin’ny masoivoho mikasika ny fahasalamana any an-toerana, Jennyt Harries. Maherin’ny 77% ny olon-dehibe any amin’ny firenena no nahavita ny vaksiny tsindrona indroa rah any fanazavana hatrany. Ny filana tanteraka amin’ny fepetra fameperana anefa dia nokasaina hatao tamin’ny 21 jona izao kanefa ny isa aza vao maika miakatra.
