ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nijery ny asa fanamboarana ny CEG Ambohimangakely ny tomponandraikitry ny kaominina

Tonga nijery ny fizotran’ny asa fanamboarana ny CEG Ambohimangakely ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina ny faran’ny herinandro teo. Ny fanamboarana ny efitrano fianarana, anatiny sy ivelany no asa tanterahana ao an-toerana  amin’izao fotoana, araka ny voalaza.

« Efa miatomboka ny asa ary hisaorana ireo mpandraharaha miara-miasa akaiky amin’ny fiadidian’ny kaominina hatrany amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny fanavaozana izay atao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hisaorana lehibe ny tomponandraikitry ny kaominina amin’ny ezaka izay ataony ho fampandrosoana ny fampianarana. Tena efa ela no niandrasana ny fanamboarana ity toeram-pianarana ity satria raha ny foto-drafitr’asa dia tsy araka ny fenitry ny fampianarana intsony » hoy i Miharisoa, maintimolaly tao amin’ny sekoly.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanamboarana ny sekoly ao an-toerana. Fotoana iray fanavaozana ny sekoly ny fotoam-pialantsasatra tahaka izao ka tsara ataon’ireo tomponandraikitra ezaka fakan-tahaka ny tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire