Etats-Unis : Ho ampitomboina ny toeram-pizarana pilina maimaim-poana hiadiana amin’ny covid-19
Mba hiadiana amin’ny Covid-19 dia nanapa-kevitra ny filoha Joe Biden fa ho ampitomboana avo roa heny ny famatsiana pilina maimaimpoana hiadiana amin’ny Covid-19. Anisany ireo fanafody mahomby indrindra amin’ny fiadiana ny Covid-19 io pilina antsoina hoe « Paxlovid » vokaran’ny Pfizer io raha ny fanazavana nentin’ny mpitondra tenin’ny governemanta.Nanaporofo izany ny fihenanan’ny tahan’ny fampidirana hopitaly sy ny taham-pahafatesana 90%. Nanafatra 20 tapitrisa tamin’io fanafody io ny governemantan’i Amérique ary manana tahiry goavana izy ireo, anton’io fampitomboana ny famatsiana io ihany koa.
