ActualitésTsidika

Alasora : Betsaka ireo mandraharaha ara-barotra

Tsy mitaky diplaoma betsaka akory ny tontolon’ny fandraharahana hany ka rehefa mahay mikaonty vola dia efa azo antoka ny hanana hoavy mamiratra. Tsy midika akory anefa izany fa tsy manan-danja ny fianarana satria mbola vao maika ho lasa lavitra isika raha miaraka ny fandraharahana sy ny fampiharana ny fianarana norantovina.

Ny olona tsy nahita fianarana manko dia voafetra ihany ny sehatra azony ivelarany ary izay no tena tombony amin’ny fananana dilpaoma. Matetika ny ankamaroan’ny olona dia miditra amin’ny tontolon’ny varotra ary efa azo antsoina ho fandraharahana izany. « Tsy nanana na inona na inona aho fa niainga tamin’ny fivarotam-bokatra izay miakatra eny an-tsaha ary iny no nampitomboko tsikelikely ka nahavitako izao tranom-barotra lehibe izao » hoy i Florence, tompona tranom-barotra iray ao Alasora. Tsy mitaky zavatra goavana vao afaka ny ho tafita fa miainga amin’ny kely indrindra aza ka ny fahaizana mampitombo no tena zava-dehibe. « Mpianatra aho ary nangoniko ny vatsim-pianarana sy ny vola nomen’ny ray aman-dreny nahafako nanangana ity fivarotana enta-madinika ity, sady mianatra aho ankehitriny no mivarotra izay tsena ahy manokana ka izaho ihany no hisitraka azy na mandeha na tsia ny tsena saingy mbola nahazo tombony foana aloha hatreto » hoy i Ravo, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no sady mapndraharaha.

Betsaka ny tombony azon’ny mpandraharaha iray satria sady miasa tena izy ary rehefa feno fikirizana dia izy ihany no misitraka izany, raha toa ka kamo sy malaina kosa dia izy ihany no hibaby ny faty antoka. Mila fikirazana ny fandraharahana, mila fahazotoana sy fanomezana lanja ny ora sy ny fotoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire