Efa nahita ny planetantsika ve ny « extra-terrestres » ?
Mitady ny toerana misy ny « extra-terrestres » ny mpikaroka amin’izao. Alaivo sary antsaina anie hoe mitady ny misy antsika koa ireo « extra-terrestres »…Tamin’ny 1995 no voalohany nahitan’ny mpikaroka ny « exo-planète », izany hoe planeta ankoatra ny tany, izay mety hahaveloman’ny zava-manan’aina.Nanamarika ny mpikaroka fa ny 117 amin’ny « système » izay mety misy aina dia amin’ny halavirana latsaky ny « 100 années-lumière » (ny halavirana vitan’ny hazavana ao anatin’ny zato taona). Ary ny 75 amin’izy ireo aza dia efa tsara fipetraka hatramin’ny fanombohana ny fandefasana ny fandaharana ao amin’ny onjam-peo. Amin’ny ankapobeny, ny kintana akaiky antsika indrindra aza dia mandany 1 000 taona mahery amin’ny toerana izay ahafahana mijery ny fandalovan’ny tany eo alohan’ny Masoandro.Ireo mponina ao amin’ny “système Ross 128” any amin’ny toerana iray 11 halavirana na « 11 années-lumière » any, mankany amin’ny “constellation de la Vierge” ohatra, dia mety nahita ny tany. Ary raha mikasa ny hahita famantarana ny fiainana any an-toeran-kafa isika tahaka ny nataon’i Breakthrough Starshot mankany Proxima Centauri, maninona alaina sary an-tsaina hoe ny hafa any amin’ny tontolo any ihany koa dia manao karazana drafitra mitovy amin’izany ?
