ActualitésTsidika

Fanabeazana, kaominina Fandriana: famaranana ny tetik’asa niarahana tamin’ny Association Voary Maitso

Sekoly miisa sivy tao anatin’ny Cisco Fandriana no nisitraka ny tetik’asa niarahana tamin’ny Association Voary Maitso. Telo taona teo no nanantanterahana izany tetik’asa izany. Nanolotra savony sy vary ary masomboly hanatsarana ny zaridainan’ny sekoly izy ireo nandritra izao famaranana izao. Hanampy ireo Ray aman-Dreny ihany koa izy ireo aorian’izao ka hametraka ny cantine scolaire manomboka amin’io volana novambra io.

Tetik’asa nentina hanatsarana ny fanabeazana tao amin’ny kaominina Fandriana ity notanterahina ity ka « tratra ny tanjona ho an’ny fikambanana nandritra izay telo taona izay:  teo amin’ny lafiny fanabeazana, lafiny ara-pahasalaman’ny mpianatra, tohana ara-tsakafo » hoy ny tao amin’ny Association Voary Maitso. « Mankasitraka ny association izahay satria nanampy anay ity tetik’asa ity noho ny asa sy ny sakafo izay vokarina tamin’ny alalan’ny tetik’asa ka nampihena indray ny fandaniana tao amin’ny tokan-trano » hoy i Mamy, Ray aman-dRenin’ny mpianatra.

Tanjona napetraka eto amin’ny firenena ny mba hananan’ny mpianatra rehetra fianarana tsara kalitao ka anisan’ny manampy amin’izany ny fikambanana maro samihafa eto an-toerana. Amporisihina hatrany ireo manana vina ny amin’izany mba hijery indrindra ny tontolo ambanivohitra ho fanampiana ireo zaza mbola mila fanampiana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire