ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Raim-pianakaviana iray tratra nangalatra gana

Raim-pianakaviana iray efa mpamelon-keloka no tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana gana, tao amin’ny fokontany Manarintsoa, kaominina Sabotsy Namehana ny talata lasa teo. Tsy fantatra na ny fahasarotan’ny fiainana na ny hanoanana fa efa fanindroany no tratran’ny fokonolona ambodiomby teo am-pangalarana ity raim-pianakaviana ity.

« Tsy voalohany izao fa efa matetika izy no manao io ala-botry io. Ary tsy mety fay mihitsy. Gisa no nangalariny tamin’izay voalohany izay, Alainy ilay vorona dia entiny amidiny na atakalony any. Ny halatra madinidinika ankoatra izay moa tsy lazaina intsony, tsara handraisana fepetra ny tahaka izao » hoy i Naina, mponina ao Manarintsoa. « Ny olana mahatonga ny hala-botry toa izao matetika noho ny tsy fisian’ny asa, na hakamoana na efa toetra tia tia kely ka na efa tratra aza dia mbola mamerina hatrany satria tsy ampy ilay sazy omen’ny fiaraha-monina. Tsara asiana lalàna mipetraka hatrany eny anivon’ny fokontany entina hamaizana ny olona mpamerin-keloka tahaka izao, iny ihany koa no taratra ahitana ny firindran’ny fokontany » hoy i Serge, nianatra momba ny fiaraha-monina.

Manoloana izao, managataka ny fametrahana fitsipika na dina ireo mponina mba hamaizana ireo mpanao hala-botry tahaka izao. Ny karazana halatra madinika tahaka izao tokoa no mihitatra ka mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny fokotany iray izay tsara jeren’ny tompon’andraikitra akaiky.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire