Laura Rasoanaivo: Nandrombaka medaly volamena fanindroany teo amin’nyn sokajy “Senior” latsaky ny 70 kg.
Mitohy hatrany ny fangalana ny amboara maro isan-karazany hoa an’i Laura mpilalao ny taranja Judo mandritra ny African Cup, izay atao any Niamey Niger. Araka ny voka-dalao dia nahazo medaly volamena iray indray izy tamin’ny sokajy « senior » latsaky ny 70 kg. Raha tsiahivina dia ny Alahady 24 Jona lasa teo izy no nandrombaka ny medaly volamena roa tamin’ny sokajy “Junior” latsaky ny 70 kg.
Manamafy ireo mpanohana ity taranja ity fa azo heritreretina tena ho lasa lavitra sy hitondra avo ny voninahim-pirenenana ny tovovavy raha ny vokatra nomeny sy ny fomba filalao nasehony hatramzao.
« Harena sy reharehantsika ny fanana tanora manana ny maha izy azy toan’i Laura satria izy ireny no masoivoho mitondra ny firenentsika erak’izao tontolo izao. Noho izany dia mila madray an-tanana azy ireny ny fanjakana satria tsy mora ny fikarakarana sy fiomanana atao vao tonga amin’ny toerana toy azy izao. » hoy ny fanehoan-kevitr’i Benjamin, mpankafia ny taranja Judo.
Ho hita miandalana hatrany kosa ny mbola ho vokatra ho azony amin’ny lalao manaraka izay mbola ho hatrehiny.
Miranto Andrih
