Comores : Mifarana androany ny fifaninan’ny mpianatra fandraharahana
Hetsika karakarain’ny AUF (Agence universitaire de la francophonie) ny fifaninan’ny mpianatra fandraharahana. Ny lohahevitra amin’ity andiany ity aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny daritra atsimon’i Afrique dia « Ny hevitro, ny orinasako » (Mon idée, mon entreprise).
Nanomboka ny 27 jona teo ary hifarana androany 29 jona ny fifaninana izay tontosaina ao amin’ny « Institut universitaire de technologie » ao Douala, Cameroun. Vehivavy mpianatry ny oniversite ao Comores antsoina hoe Toyiba Hadji no misolo-tena an’i Comores ao anatin’izany. Efa nibata ny amboaram-pirenena niaraka ny ekipany « Randza Unono » izy ny volana may teo. Tetik’asa momba ny fanodinana sy fanamboarana fitaovana « biomédicaux » no nentin’izy ireo tamin’izany.
Hifanandrina amin’i Kevin Henrage avy ao amin’ny oniversite an’i Maurice sy i Aina F. Rasoamiaramanana avy ao amin’ny oniversite an’i Fianarantsoa, Madagasikara kosa i Toyiba Hadji.
