Avaradrano: Nahazo bisikleta ireo mpampianatra sy mpianatra
Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fizarana ny bisikleta ho an’ny mpampianatra sy ireo mpianatra ato anatin’ny cisco Avadrano. Efa fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena izao fanomezana izao, raha ny voalaza.
“Hisaorana ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny fanolorany « bicyclette » ho an’ireo mpampianatra sy ireo mpianatra. Ireo izay mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana taom-pianarana 2021-2022 moa no nahazo izany » hoy ireo avy amin’ny distrika Avaradrano.
« Tena ilaina ny fitaovana tahaka izao satria tena maro ireo mpampianatra sy mpianatra no mandeha an-kilometatra maro mamonjy ny toeram-mpampianarana sy fianarana. Hisaorana ny filoham-pirenena amin’ny fitsinjovany hatrany ireo ankizy manao ezaka, indrindra ny ety amin’ny tontolo ambanivohitra » hoy i Andry mpampianatra.
Nanontrona ity lanonana fanolorana ny fanomezana ity moa ireo ben’ny tanàna tao anatin’ny distrika, izay manohana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana eto avaradrano.
Manitra R.
