ActualitésTsidika

Analamanga : Mila arovana ny ankizy sy ny zony

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny tan-tsoroka ho fiarovana ny ankizy sy ny zony eto amin’ny faritra Analamanga. Izany dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fisorohana sy ho fandraisana an-tànana ireo ankizy niharan’ny herisetra.

« Efa betsaka ny tranga fanitsakitsahana ny zon’ny nakizy. Firifiry ieo zaza iharan’ny herisetra saingy tsy misy miaro sy tsy misy mahita » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Analamanga izay hamatsy vola voalohany ity tetik’asa ity. « Andraikitro, andraikitrao, andraikitsika rehetra ny miaro ny ankizy sy ny zony » hoy ny fanentanana avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina.

« Vitsy izany mandray an-tanana ny ankizy izany. Mirongatra ny herisetra saingy tsy mahalala izay tokony atao ny ray aman-dreny. Manampy betsaka azy ireo mihitsy ny tetik’asa tahaka ity” hoy i Volasoa, mpiaro ny zon’ny ankizy. Marefo manoloana ny herisetra tsy hay toherina ny ankizy. Mila hery mafy sy matanjaka izy ireo noho izany mba handresena ny ratsy mianjady amin’ireo zaza tsy manan-tsiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire