Ankizikely : Nahazo mofomamy ireo ankizy any amin’ny Ankany
Nahatsiaro manokana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny polisy vavy. Efa manakaiky tokoa ny fetin’ny Noely ary ho entina hanamarihana izany indrindra izany fizarana izany.
« Mofomamy mirefy 275 metatra no nozaraina tamin’ireo ankizy miisa 10 000 teto andrenivohitra. Isany nahazo izany ny Ankany Sandratra Ambohijanaka, ny Ankany Avoko Ambohidratrimo » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona. « Tena mahafinaritra tokoa ny ezaka tahaka izao. Na dia efa any anaty akany aza ny zaza dia misy mahatsiaro foana ny fisiany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ankany Avoko Ambohidratrimo.
« Tokony ho salama sy matanjaka tokoa ny zaza sahirana sy kamboty. Tsy mba manana antenaina izy ireny fa miandry izay mitsetra azy. Tokony hahay hifanampy isika samy mpiray tanindrazana » hoy i Gloria, tanora tia manampy ny ankizy sahirana. Ankoatra izay, nahazo mofo mamy ihany koa ireo ankizy ao amin’ny akany Ambatolampy taizain’ny Polisim-pirenena. Nisitraka izany ihany koa ireo zaza kamboty taizain’ny zandarimariam-pirenena. amin’ny maha mpirahalahy mpiara-miasa amin’ny fitandroana ny filaminana eo amin’izy ireo. Tsara tokoa ny mifanampy araka izay tratra. Raha tsy mifanampy isika, ahoana ny fomba hanampian’ny olona hafa antsika ?
Nicole Rafalimananjara
