ActualitésTatitra

La Réunion : Voafantina hiatrika ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny atletisma i Esther Turpin

Mpanao atletisma frantsay teraka tao Saint-Joseph ao amin’ny nosy La Réunion i Esther Turpin. Norombahiny ny herinandro lasa teo ny tompondaka « France élite » natao tao Albi ao Tarn. Nahazo isa mihoatra ny 6 182 tamin’ireo dingana fito ny tenany raha ny fanazavana.

Misehatra eo amin’ny  » épreuves combinées » i Esther Turpin ary Voafantina hiatrika ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny atletisma atao ao Budapest ao Hongrie ny 17 hatramin’ny 29 aogositra izao ny tenany. Marihana fa efa maro ny fifaninana iraisam-pirenena nandraisany anjara nanomboka ny taona 2013 toy ny « Championnats du monde cadets ; Championnats du monde juniors ; Championnats d’Europe en salle… ».

Laisser un commentaire