SocialTatitra

Australie : Mitera-doza ny fiovaovan’ny toetry ny andro any Sydney

Oram-be no nitrahotraho tao amin’ny faritra atsinanan’ny Australie, ny faraparan’ny herinandro lasa teo. Niteraka tondra-drano tamina tanàna maromaro tany an-toerana indray ny fahavaratra tamin’ity taona ity. Efa niaina tahaka izao hatrany ny ankabeazan’ny faritra any an-toerana tao anatin’ny dimampolo taona izao. Taorian’ny tranga firehetana tanàna roa taona lasa izay, tondra-drano kosa indray no iainan’ireo mponina any an-toerana ankehitriny. Olona maro araka izany no voatery niala tamin’ny trano fonenany. Faritra miisa 38 manamorona ny moron-tsirak’I Nouvelle-Galles du Sud, fanjakana izay be mponina indrindra any an-toerana no monina eo ambonin’ny rano. Isany tratry ity loza voajanahary ity i Sydney, faritra izay tsy mbola niaina tahaka izao nitranga izao mihitsy hatramin’izay ela izay. Ho sarotsarotra hoy ireo manam-pahaizana ny hienan’ny rano faran’izay haingana ao Sydney amin’ny maha faritra iva azy. Renivohi-paritra maro ihany koa no tapaka tsy misy hifandraisana amina toerana hafa ka nandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra ny famelomana azy ireo ankehitriny.

Laisser un commentaire