Egypte : Nodimandry ilay mpanoratra Nawal al-Saa-dawi
Nodimandry teo amin’ny faha-89 taony ilay mpanoratra Nawal al-Saa-dawi, hoy ny haino aman-jerim-panjakana Al-Ahram ny alahady 21 martsa. Anisan’ny tena nahafantarana azy izy fitaratry ny fiainam-behivavy ao Egype. Efa maherin’ny 50 ny boky nosoratany. Voatery nistsoka atao Egypte izy ny taona 1993 saingy niverina ihany kosa indray tamin’ny fiandohan’ny taona 2000. Saika miresaka mahakasika ny zon’ny vehivavy avokoa ireo boky nosoratany. Izay no isan’ny tena nahafantarana an’i Nawal al-Saa-dawi sy tena nampiavaka azy. Teraka ny 27 oktobra 1931 izy ary izy ihany koa no nanoratra ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Au début, il y avait la femme” sy “La femme etle sexe”. Ny taona 2007, voaheloka ho nandrabiraby an’i Islam ny sangan’asany ary tsy afaka naseho tamina fampisehoana lahatsoratra na fampisehoana andapihazo tao amin’ny foire du livre de Caire intsony. Tamin’io fotoana io no nandaozany an’i Egypte saingy niverina kosa izy ny taona 2009. Isan’ireo olona voatondro ho atao sesitany tany Etats-unis ihany koa i Naal al-Saa-dawi ny taona 1990. Mpanohitra ny fitondrana jadon’ny arabe izy ary efa niditra am-ponja fotoana fohy ny taona 1981. “Natokako ho an’ny asa fanoratana ny fiainako. Na dia teo aza ny sakantsakana, tsy nijanona aho fa nanohy nanoratra foana.” Hoy i Nawak al-Sann-dawi.
