Pakistan : Voaheloka ho faty ireo nanolana vehivavy Franco-Pakistanaise
Voaheloky ny tribonaly pakistanais ho faty ireo olona 2, ny asabotsy 20 martsa, noho ny raharaha fanolanana vehivavy Franco-Pakistanaise enim-bolana lasa izay. Niteraka fihetsiketsehana tamina faritra maro tao Pakistan ity raharaha ity. Antony nahatonga ny fanjakana nanamafy ny lalàna ary mety ho tonga hatrany amin’ny “castration” na fanapahana ny “voplôsy” Teo imason’ny zanak’ilay vehivavy no nanaovan’ireo lehilahy voaheloka ho faty ireo ny asa ratsiny. Raha ny fantatra, lany lasantsy teo akaikin’i Lahore, atsinanan’i Pakistan ny fiaran’ity fianakaviana kely ity, ny volana septambra 2020. Tsy nisy afa-tsy ilay ramatoa sy ny zanany irery ihany no tao anatin’ilay fiara. Nanomboka ny fihetsiketsehana taorian’izany nangatahana ny rariny ho an’ny vehivavy ao Pakistan. Manodidina ny 1 tapitrisa ireo vehivavy iharan’ny herisetra matsiravina isan-taona ao an-toerana. Tamin’ity taona ity kosa vao nitondra lalàna vaovao entina manasazy ireo izay tratra ny governemanta. Tsy ny tranga fanolanana ihany no voakasik’izany. Mateti-piseho ao Pakistan ihany koa ny fifamonoana eo amin’ny samy mpianakavy noho ny resaka voninahitra. Ny vehivavy no tena lasibatra amin’izany. Anisan’ny sazy miandry ireo izay manao heloka bevava araka izany ny fanamelohana ho faty.
