ActualitésSocialTsidika

Analamanga: Mitohy ny fanamboaran-dalana ao Andramasina

Mitohy hatrany ny ezaka fanamboaran-dalana izay ataon’ny faritra Analamanga, ao amin’ny lalana Andramasina, amin’izao fotoana izao. Mizotra an-tsakany sy andavany ny fanatanterahana ny asa ary mbola tazana ao an-toerana avokoa ireo “engins” amin’ny fanamboaran-dalana, araka ny voalaza.

“Tsy araka ny fiheveren’ny hafa fa nijanona ny asa fanamboarana ny lalana Andramasina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. mitohy ary mizotra an-tsakany sy an-davany ny asa fanamboarana eto an-toerana. Nanomboka anio alatsinainy, ny lalana Andramasina sy Sabotsy Ambohitromby no ao anatin’ny fanamboarana” hoy ny avy amin’ny faritra Analamanga.

“Efa hita tokoa ny ezaka ataon’ny faritra Analamanga amin’ity fanamboaran-dalana ity, ny hirariana sy angatahana amin’ny tomponandraikitra anefa mba tsy hijanona hatareo amin’ny fanaovana ny terrassement ihany io fanamboarana io fa vitaina hatramin’ny fandrakofana tara na rari-vato, raha tsy izay dia hanano sarotra hatrany ny fampiasa io lalana io rehefa fotoanan’ny fahavaratra” hoy i Patrick, mpitatitra.

Zava-dehibe ny fahavitan’ity lalana ity mialohan’ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra, izay ihany ko tena handrandrain’ireo mponina ao an-toerana sy ny mpampiasa ity lalana ity. Ity farany izay tena mampijaly satria mamotaka sy tsy afaky ny fiara rehefa fotoanan’ny orana.

Manitra R.

Laisser un commentaire