ActualitésTsidika

Vita soa aman-tsara ny EPP Manontanitsiloza sy Mangasoavina

Anisan’ireo fanamby lehibe napetraky ny eo amin’ny fitondram-pajakana ny fanomezana fanabeaza sy foto-drafitr’asa tsara kalitao, ahafahana manarina sy manatsara ny fari-pahaizan’ireo ankizy Malagasy.

Maro ireo fananganana sy fanavaozana ary fanitarana ihany koa natao teny anivon’ireny sekolim-panjakana ireny, tao ireo foto-drafitr’asa efa andalam-pahavitana, ao ihany koa ireo efa voatokana ary farany teo no nanokanana ny EPP ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fanabeaza-pirenena Analamanga izay nahazo efitrano fampianarana 2 dia ny ao amin’ny fari-piadidim-pampianarana Ankazobe (Manontanitsiloza sy Mangasoavina), Antananarivo Avaradrano (Ambohimanambola sy Masindray) ary Ambohidratrimo (Ankadivory talatamaty sy Antanetibe Amboniaza). « Izany no natao mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ary anisan’ny tetik’asan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fitondram-panjakana ihany koa ny fananganana sekoly mba hamporisihana ny zaza hazoto hianatra » hoy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

« Ilaina tokoa ny fanitarana sy fanatsarana ireny sekolim-panjakana ireny, mampirisika ny zaza mazoto hiverina sy hijanona an-tsekoly no sady mampitombo ny salan’isan’ny zaza afaka haroratsa an-tsekoly ihany koa » raha naneho ny heviny i Regina, renim-pianankaviana.

« Isaorana ny fanjakana tsy nanao ankilabao sy nanao ho zanaky kiala hafa ireo zaza teo anivon’ny Fitaleavam-paritra amin’izao foto-drafitra’asa vaovao izao » hoy ireo tompon’andraikitra hitantana ireo sekoly vaovao.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire