Maurice : Tovolahy iray nanolana ny zanaky ny zokiny 3 taona
Zazalahy 13 taona no tratran’ny zokiny vavy nanolana ny zanak’ity zokiny izay lahikely 3 taona teo ambony seza ny 30 jona lasa teo tany Roche-Bois any Maurice.
Nitatitra ny zava-nisy tany amin’ny polisy ity zokiny ity izay 20 taona ny alarobia alina teo. Nilaza izy fa naolan’ny zandriny lahy izay 13 taona ny zanany lahy izay vao 3 taona monja. Tsy nampoiziny izao zava-nitranga izao satria zaza mpiara-milalao izy ireto hoy hatrany ny nambarany nanoloana ny polisy. Nangataka ny mba hanaovana fizahana ilay zanany lahikely izay ka ny dokotera manam-pahaizana manokana amin’izany no tokony hanao izany raha ny nambarany.
Efa manao ny fanadihadihana ny amin’izao raharaha izao ny mpitandro filaminana.
