Famatsiam-pitaovana an’ireo mpamono afo any amin’ny VOI Menabe Antimena
Isan’ny olana any amin’ireny mpamono afo ho an’ny tontolo iainana ireny ny tsy fahampian’ny fitaovana. Nisy araka izany ny fanomezana fitaovana entina miady amin’ny afo ho an’ireo VOI Menabe Antimena.
Nahitana « tracteur » miaraka amin’ny remorque, siny be mahazaka rano 1 000 litatra sy 2000 litatra, hyporouleur 20 isa mahazaka rano 50 litatra, bidons 50 isa, kitapon-drano 20 isa mahazaka 20 litatra, famonoana afo 50 isa, fourches 30 isa, râteaux 30 isa, pelles 30 isa, bottes 40 isa ary angady 30 isa no natolotra ireo VOI 8 ao Menabe Antimena hiadiana amin’ny afo. Ny VOI Tsihoaia Miara-dia, VOI Soamamy Mahavita ny Ala, VOI Soa Natao, VOI FASM, VOI Ala Besoa Tratra ny Faramandimby, VOI Mamelom-Bahoaky, VOI Mahavelo, VOI Soa tahiry Menabe no nahazo izany fitaovana izany vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny USAID Mikajy.
« Hanamora ny asanay izao famatsiana fitaovana izao » hoy ny mpamonjy voina iray sendra anay teny an-toerana. Raha ampy fitaovana tokoa izy ireny dia ho mora ny fiatrehana ny asa koa hirariana araka izany ny mba hitohizan’ny ezaka tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
