ActualitésTsidika

Filaminana : Mila mitandrina amin’ireo olon-dratsy eny an-tsena

Efa manakaiky tokoa ny fety. Mifanitsa-kitro, tsy miraraha intsony ny aretina covid-19 ny mponina eto andrenivohitra, indrindra ny ao Analakely sy Behoririka ary Isotry. Fotoana indrindra ny toy izao hanararaotan’ireo olon-dratsy hanamparana ny asany.

« Tsy heno akory hoe efa misy manataka ny poketra sy ny paosy. Ny finday tsy hita. Iza amin’ireo olona marobe no ho endrikendrehina ? Efa fetsy rahateo ny mpangaro-paosy ka mody manao fitafy madio sy mihaja, amin’ilay tsy ampoizina mihitsy. Mitandrema daholo ihany » hoy i Lanto, mpivarotra eny Isotry. « Izaho aza teny Behoririka nisy niteny hoe « vadiny hono » dia avereno, hoy ilay lehilahy, ny finday. Teo imason’olona rehetra teo. Soa ihany fa nisy namako mba niaro ahy hoe tsy fantatray ianao fa ny vadiny dia fantatro tsara » hoy ilay vehivavy saika voasoloky teny Behoririka. « Efa in-betsaka aho no tratra. Lazainy fa izaho no namono ny vadiny ka tsy maintsy manome vola azy. Tena nomeko fa sady nitabataba be ilay vehivavy ka menatr’olona aho tamin’izay » hoy i Lygie, renim-pianakviana iray monina ao Mahamasina.

Mila mitandrina sy mailo tokoa isika. Raha azo atao aza dia aleo tsy mihaino sy mifamaly fa ny lalana ihany no zorina. Tokony hisy namana foana ihany koa rehefa hivoaka, indrindra rehefafa hiantsena. Ny mpisoloky sy ny mpangarom-paosy, mantsy, tsy kely lalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire