ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra ny fizarana fanampiana ho an’ny fety

Nofoanana ilay fizaram-bary nokasaina ho atao androany, izay antsoina hoe « Vary Fety Mora ». Nokasaina hanampiana ny mponina amin’izao fety izao ity fanampiana ity.

« Noho ny antony aram-pandaminana, izay tsy miankina amin’ny kaominina, dia nofoanana ny fizarana izay nokasaina atao ny  22 Desambra 2021 » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Maneho ny fialan-tsiny manoloana izao tranga izao. Eo ampiandrasana ny fandaminana vaovao avy any amin’ny Foibe ny Kaominina Ankadikely-Ilafy » hoy ny en’ny tanàna Rija Rajaonah. « Fomban-javatra ihany io, saingy ny mponina efa mba nanantena ihany. Raha azo atao dia hafaingano kely re fa noana ny vahoaka » hoy i Felana, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Efa manakaiky tokoa ny fety kanefa hita fa sahirana tokoa ny vahoaka na dia ny fiandrasana ny fanampiana tahaka izao fotsiny ihany aza. Hanao ahoana ny fety ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire