ActualitésTsidika

Kolontsaina : Hiverina indray ny horonantsary « malok’ila »

Malok’ila : horonantsary be mpankafy indrindra eto Madagasikara ary mbola be mpankafy foana hatramin’izao. Efa maro ny niandrandra ny fiverenan’ity horonantsary ity ka tanteraka ny fanirian’ny tsirairay. Hiverina hamokatra ity horonantsary « maolk’ila » ity indray ny trano mpamokatra Scoop Digital amin’ity taona 2023 ity.

« Efa maro no niandry, ary hotoloranay fahafaham-po izy ireo. Efa vita ny fanoratana ny tantara ka efa ao anatin’ny fanodinana ny horonantsary tanteraka izahay amin’izao fotoana izao. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny dimy volana izany ka afaka ny hisitraka izany indray ny mpankafy any amin’ny volana may na jona any », hoy i Mamitiana Razafimandimby, mpanatontosa sady tompon’ny Trano mpamokatra Scoop Digital.

« Na dia teo aza ny fahalasan’ireo mpilalao sasany izay nalaza sy manam-pahaizana tao anatin’ny horonan-tsary dia tsy ho hita mibaribary izany fa hanolotra ny tsara hatrany izahay. Ireo mpilalao izay nampiavaka ity horonan-tsary ity ihany koa dia mbola ao, toa an’i Rajao, Pasitera, Razoary, Raly sy ny maro hafa », hoy hatrany ny fanazavana.

« Nanaraka foana hatramin’ny andiany voalohany ka hatramin’ny andiany faha 15 farany iny. Tsy mety mankaleo mihitsy ary mbola maniry foana ny hitohizany. Tanteraka izany ankehitriny ka manantena ny tsara hatrany », hoy i Vatosoa, mpankafy.

Hanaraka ny toetr’andro ny fitaovana sy ny kalitaon’ny horonan-tsary havoaka. Hanome fahafaham-po hatrany ireo mpanjifa ihany ko aizy ireo. Haharitra 90mn ity andiany manaraka ity ary misy ny tsy ampoizina betsaka izay hampidirina ao anatin’izany. Hitondra anatra sy fampianarana ary fialam-boly hatrany ny horonan-tsary.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire