ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nanomboka ny zoma teo ny fampianarana teny japoney

Misy ny fampianarana teny vahiny maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampianarana ny teny japoney, izay iarahana amin’ny mpilatsaka an-tsitra-po japoney, miara-miasa amin’ny kaominina.

« Tsy misy ny sarany aloha fa maimaim-poana tanteraka ny fampianarana teny japoney atolotry n’y kaominina. Ho an’ny tanora manomboka ny 13 taona izany. Isaky ny zoma no mianatra ka 5 jolay vao tapitra ny fampianarana » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

 » Ilaina be ny mahay teny vahiny amin’izao fotoana izao. Ary izaho manokana dia tia ny teny japoney sy ny kolontsainy ka nahatonga ahy nanokana fotoana hianatra ity ato amin’ny kaominina. Mianatra izany any ivelany koa lafo ka anisan’ny tombony Ilay atolotry ny kaominina » hoy i Vanessa, mpianatra.

Fotoana fanararaotra ny fisian’ny fampianarana maimaim-poana tahaka izao, indrindra ho an’ny tanora. Zava-dehibe amin’ny fampitomboana fahalalana izany no manampy amin’ny fivelarana amin’ny sehatra hafa.

Laisser un commentaire