Ambohimangakely : Hisy ny didimpoitra faobe
Hotontosaina ny 23 jolay ny didimpoitra faobe ao amin’ny CEG Ambohimangakely. Eny amin’ny biraom-pokontany misy ny tsirairay no afaka misoratra anarana.
« Hanomboka amin’ny 07 ora maraina ny hetsika ny 23 jolay izao ao amin’ny CEG Ambohimangakely. Natao indrindra hanampiana antsika mponina manoloana ny fahasahiranana izy ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Fotoana tokoa izao hanatanterahana ny famorana, izay fomban-drazana. Dingana iray hizoran’ireo ankizilahy ho any amin’ny fianakaviamben’ny lehilahy izy ity » hoy i Samson, mpandala ny fomban-drazana.
Tsy vitsy tokoa ireo manohana ny kaominina amin’ity hetsika fanao isan-taona ity, hanampiana indrindra ny lafiny tsosialy.
Nicole Rafalimananjara
