ActualitésTatitra

Comores : Mont Ntringui, toerana avo indrindra ao amin’ny nosy Ndjuani

Toerana avo indrindra (point culminant) ao amin’ny nosy Ndjuani ny tendrombohitra Ntringui, toerana malaza amin’ny fizahan-tany ao Comores. Iray amin’ireo vondronosy mandrafitra an’i Comores moa ny nosy Ndjuani. Mahatratra 1.595 metatra ny haavon’io tendrombohitra avo indrindra ao aminy io.

Nomena valan-javaboahary iray ny anaran’io tendrombohitra ao io. Ao amin’ny RAMSAR (traité de protection de l’environnement) ny toerana izay niforona tamin’ny taona 2006. Misahana velan-tany 3000 hekitara izany ary manan-danja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire