Dépêches

Ambatolampy : Efa misokatra ny « Alliance Française »

07 Jolay, 10 h00, Efa misokatra ny  »Alliance Française » ao Ambatolampy. Efa misy tolotra tahaka ny any amin’ny  »Alliance Française » rehetra izany, toy ny vaky boky, aterineto sy ny fianarana teny frantsay. Ho avy miandalana kosa ny tolotra fampianarana amin’ny fahaiza-manao samihafa sy ny hetsika ara-kolontsaina tahaka ny fampirantiana sy fampisehoana isan-karazany. Tsy adinoina ny fiofanana teny frantsay ahazoana mari-pahaizana DELF sy DALF.

Laisser un commentaire