Antsirabe: Fandrodanana Trano
Nisehoana fandrodanana trano tany Antsenakely Antsirabe ny alakamisy lasa teo. Teratany vahiny no voalaza fa nanao izany sy nilaza ho tompon’ny tany. Tsy manaiky ireo mponina satria efa 50 taona nipetrahana teo izy ireo, raha ny filazany. Andrasana ny mety ho tohin’ity tranga ity.
