Atlantique : Olona 14 no efa maty tao anatin’ny « baines » ny taona 2023
Baines, faritra eny amin’ny moron-dranomasina anisan’ny mampidi-doza ho an’ny mpilomano, no nahafaty olona 14 tao amin’ny morontsirak’i Atlantique, ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny prefektiora an-dranomasina Atlantique. Tsy mitsahatra ny mampitrandrina ireo mpilomano, indrindra rehefa fotoanan’ny fialan-tsasatra sy fisokafan’ny fizahan-tany amin’ity 2024 ity ireo tomponandraikitra. Nandritra ny fotoanan’ny 01 mai ka hatramin’ny 30 septambra 2023, in-70 andro ny nisehoana trangana baines, tao Pyrénées-Atlantiques. Raha jerena , dia tahaka ny dobo filomanosana milamina no hitrangan’ny Baine. Antony mahatonga ny olona maty andro be indrindra. Manelanelana ny sisin-dranomasina sy ny tora-pasika no hiforonany, kanefa mitondra onja mafy ary mitarika haingana anaty ranomasina.
